Ao ny Tompo Zañahary

(Julien Rakotoarinosy)

Ao ny Tompo Zañahary mpiaro antsika e e,
Fa mikaiky anao izy e !
Te-hifanatrika aminao zandriny e e,
Hametrahany tavandra masina e e.

Asa tsara zeñy atao,
Hitory ny hatsarana e e ia,
Hitondra, hampianatra, hanamasina (in-2),
Ny Fanahin-Jañahary mahery e e,
Mitantana sy manazava e
Ny lalana e, arahina e ia.

Inoanay antson-Jañahary e ia !
Raisinay, iainanay e ia.

Zañahary niantso, nifidy e ia !
Kaiky, fanirahana, mampibebak’olo, ia
Manambara ny mariñy, ‘zay mety atao ia !
Fitiavana baka amin’ny teny e ia !

Isaorana manokana Ianao zoky e ia !
Nahitana ny mazava e !
Ambony ankitiny ny antsonao Tompo ô !
Nanova ‘zahay hanetri-tena e ia !

Hariaña napetraka razam-be,
Joro tsara sy tso-drano ia !
Fahaizana mifikitra amin-Jañahary,
Fototra iavian’ny zaka jiaby e ia !

Jijy : Ounh ! Mandrosoa hasiñy e ia !
Meva ! Hanaranara e ia !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 122
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091