Tsy atao hoe mpanompo

(André Besabotsy)

Tsy ataoko hoe mpanompo ianareo,
Fa hoe sakaiza, hoy ny Tompo.
K’aza mihafahafa miditra an-tanon-dRaiko.

Eny mariñy ny Tenin’ny Tompo.

Zaho no niantso anareo, eny mariñy …
Avy amin’ny vazan-tany efatra, …
Ka manangona anareo …
Ho vala tokana ihany…

Iaino ny fitiavako…
Karaha izay efa nataoko ...
Mba hananareo ny hafaliako …
Zay nozaraiko taminareo…

Mahaiza mizara amin-kafaliana …
Aza mañavaka sôran’olona o o …
Ho tena rahalahiko mahatoky …
Miaina miaraka amin’ny Raiko…

Mifankatiava marina ianareo, …
Toy ny itiavako anareo …
K’amantaran’olo antsika
Fa Andriamanitra Ray no iombonantsika.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 121
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698