Tompo ô, nantsoinao aho

(Joseph Justin)

Tompo ô, nantsoinao aho.
Tompo ô, teo anivon’ny fiaraha-monina.
Tompo ô ô ô, inty aho hamehy tena.
Tompo ô, na dia tsy mendrika aza.

Manomboka androany indro asehoko etoana
Ny voady : “Eny tsy hivadika aminao”.

Eny ry Tompo ô, maro ireo vato misakana,
Tohantohano re ry Tompo ô, sao rendrika.

Tompo ô, nantsoinao aho.
Tompo ô, teo anivon’ny fiaraha-monina.
Tompo ô ô ô, hampiely ny hafatrao.
Tompo ô, amin’ireo madinika.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 120
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089