Isaorako Ianao Andriamanitra ô !

(Lili)

1. Isaorako ny anaranao Jesoa Tompo
Fa raha tsy ny famindram-ponao tokoa
Dia tsy toy izao, ity fiainako be siasia
Fa niriaria, nanalavitra Anao.

Mbola ianao ihany anie, no efa niantsoako hoe : « Avia »,
Aza mankamamy, ny fanaon’ny olon’izao tontolo izao;
Fa tsy sitrakao ny hahavery hasina ny Fanahiko,
Fa izay mandala ny an’izao tontolo izao dia ho levona.

2. Isaorako ny fahendrenao Jesoa Tompo,
Izay manondro ahy ny mahitsy izay hizorako;
Hadiovam-po, no iriko hisalorana
Fanangolem-panahy, omeo fitsaharana.

Ny mitoetra, eo ambany elatrao Jesoa,
Sembatsemban’ny haizim-pito; feno fandrika;
Manjopiaka, manjelanjelatra tanteraka,
Feno hatsaran-toetr’ilay Fitiavana : tsy voafetra !

Nampiditra admin
Sokajy Fanirahana
Antsao ny Tompo p. 116
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786