Tsy kivy aho Jesoa

(Lili)

Tratrako ihany ‘lay andro niriko
Ahafahako hidera ny Tompo
Lalana maro no efa nombako
Nisedrako ny sarotra.

Fantatro mantsy fa eo anoloako
Isan’andro isan’andro ny Tompo
Sasatra foana ireo mpankahala
Mitady hanova ny foko.

Manomboka ny masonandro anio
Isaorako Ianao Andriamanitra ô !
Fa nentaninao moramora
Ny fitiavako hidera Anao an-kira;
Ny mbola angatahiko aminao
Ny hitohizan’izao hatrany hatrany,
Mbola lavitra ny lalana alehako.

Faly aho satria nohenoin’Andriamanitra
Izay nokasaiko hatao;
Izy no manome hery ho ahy,
Izay saika kivy sy resy.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 114
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263