Mahefa ny raha jiaby anao Baba

(Michaël)

Mahefa ny raha jiaby anao Baba,
Ka tonga eto izahay hisaotra Anao,
Noho ny asan’ny tananao mahagaga,
Ka talentanay no entinay hidera Anao.

Ka misaotra e e ! Ka misaotra Anao Baba,
Misaotra e e ià ! Misaotra Anao Baba.

Ny habakabaka ambony eny,
Misy zava-manazava ireny,
Kintana, volana sy ny masoandro,
Manazava alina sy ny andro.

Ny ranomasina midadasika,
Mihodidina, ny vato sy ny fasika,
Ahitana koa ireo trondro maro,
Ny kely sy ny lehibe mifangaro.

Ny tany izay be velarana,
Misy loharano sy ny ala,
Ahitana ireo bibidia,
‘Zay tena masiaka, miriaria.

Ny habakabaka ambony eny,
Ivezivezen’ny vorona ireny,
Mifaly sy misangisangy,
Mitory ny fisianao sahady.

Ary izahay olombelona,
Noharin’ny Tananao,
Nomenao tany mba honenana,
Sy hanjaka amin’ny zava-boaharinao.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 111
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038