Isaory izay nomen’Andriamanitra

(André Besabotsy)

Misaotra Anao zahay Andriamanitra ô e e !
Fa tonga zanakao.

Anao nahary ny tany aman-danitra e e…
Isaoranay Anao Andriamanitra ô ô !
Noho ny fitiavanao anay e !
Anao nampisy ny raha jiaby e !
Mba tsy hampijaly ny olombeloño e !

Lanitra e … Isaoranay Anao.
Ny habakabaka e …
Ranomasina e e …
Ny tany e e …

Anao nandefa ny Zanakao ô !
Mba hanavotra ny olombelona e e !
Miara-monina aminay e !
Mba hahaizanay Anao Baba.

Zava-manan’aina,
Ny ahitra e !
Ny vato ô,
Ny rivotra ô !

Mampianatra anay hifankatia e !
Handavorary ny fiainanay e !
Eo anivon’ny mpiara-monina !
Zay mahazatra anay.

Ny masoandro ô !
Kintana e !
Volana e !
Oran’andro.

Nafoinao ho anay ny Zanakao ô !
Hanamarina ny teninao ô !
Maty noho ny otanay Izy e !
Ka voavonjy izahay izao e !

Ny hazavana e !
Ny haizina,
Ny hafanana,
Ny hatsiaka.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 103
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094