Velom-piderana izahay

(Omer

Velom-piderana izahay vahoakanao ô !
Fa nambininao, ke e faly mitondra hatsarana !
E e ! Fa nambininao ke e e faly e e !

E e e ! Ravoravo ô !
Amin'ny andro iniany e !
‘Reto fôkonôlo notiavinao ô !
Nozarazaranao hatsarana,
Nangalanao ny tianao ô !
Tianao hitondra ny Teninao ô !
Hitantana, hamahaña ny vahoaka,
-- Babanay mariñy Ianao ô !
-- E ! Maharavoravo ô !
-- Maharavoravo zahay jiaby e !

E e ! Ravoravo ô !
Amin'ny andro iniany e !
Akory ny fitiavanao ny ôlo ô !
Nataonao ambonin'ny raha jiaby e !
Izay farany tsara ao aminao ô !
Iarahanay manana aminao ô !
I Jesoa nataonao Zokibe,
Mahatonga zahay ho aiñy araiky e !
-- Babanay mariñy Ianao ô !
-- E ! Maharavoravo ô !
-- Maharavoravo zahay jiaby e !

E e ! Ravoravo ô !
Amin'ny andro iniany e !
Izahay zanaka amampara,
Tantanonao amin'ny ankahery e !
Namafazanao tsodranonao ô !
Mangatsiatsiaka manaranara
Zanak'akoho hely mihinon-drano,
Izay azo entinay midera Anao
-- Babanay mariñy Ianao ô !
-- E ! Maharavoravo ô !
-- Maharavoravo zahay jiaby e !

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 102
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087