Midera Anao ry Tompo

(Clovis Jaosoa)

Midera Anao ry Tompo ô,
Ny asan-tananao e mahagaga loatra !
Fa mahagaga loatra e, ny asa vitanao e !

Ny taninao ry Tompo ô, midera ny asanao e !
Ny lanitrao ry Tompo ô, midera ny asanao e !

Ny olona ry Tompo ô, midera ny asanao e !
Eran'izao tontolo izao e, midera ny asanao e !

Ny biby maro ireo e, midera ny asanao e !
Ny anaty rano koa e, midera ny asanao e !

Reo manana aina 'reo e, midera ny asanao e !
'Reo tsy miaina koa e, midera ny asanao e !

Ny habakabakao e, midera ny asanao e !
Ny rahon'eny ambony ô, midera ny asanao e !

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 100
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106