Izao no tenin'ny Tompo, tamin'ny tompoko

1. Izao no tenin'ny Tompo, tamin'ny tompoko
"Ianao mipetraka avy eto an-kavanako:
Ny fahavalonao dia indro hataoko
Hanjary fitoeran'ny tongotrao".

Fa indro i Kristy nitsangan-ko velona
Nataon'Andriamanitra ho Tompo, Mpanjaka,
Mipetraka eo an-kavanany izao.

2. Atsotran'ny Tompo avy eto Siôna
Ny tehina maherin'ny Fiandriananao:
"Koa dia manjakà ary koa manampàra
Hatrany ampovoan'ny fahavalonao!"

Fa indro i Kristy nitsangan-ko velona:
Indray niankohoka teo anatrehany 
Ireo samihafa fiteny amam-poko!

3. Ny andro hisehoan'ny fahefanao,
Ianao dia mpanjaka mamira-pahamasinana
"Fa tahaka ny andro mazava atsinanana
Niteraka ny andro, Izaho niteraka anao".

Fa indro i Kristy nitsangan-ko velona:
Nomem-boninahitra sahaza ny Zanaka
Dia ilay voninahitra efa Azy hatrizay!

4. Fa izao ny velirano nianianan'ny Tompo
Tamin'ny toky tsy miova, tsy misy anenenany:
"anao dia Mpisorona mandrakizay,
Araka ny satan'ni Melkisedeka".

Fa indro i Kristy nitsangan-ko velona:
Tsy Izy no tonga Mpisorona ho azy,
Noho Izy nanaiky, dia nomen'ny Ray Azy!

5. Hijoro ny Tompo eo an-kavananao,
Hamotika mpanjaka amin'ny andron-katezerany.
Amin'ny riaka, hisotro eny an-dalana izy,
Noho izany dia hatràkany hatrany ny lohany.

Fa indro i Kristy nitsangan-ko velona:
Nisotro ny kaopy nomen'ny Ray Azy:
Nasandray hitràka, dia tonga Mpandresy!

Nampiditra admin
Sokajy Paka - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188