Ry Tompo Zañahary

(Bema)

Ry Tompo Zañahary : Ray Zanaka, sy Fañahy.
Nañano ny raha jiaby,
Ny tany aman-dañitry,
Be ny Fitiavanao, misaotra Anao ‘zahay. (in-2).

Ny Razañay talôha, ry Tompo ô,
Nahay fa misy Anao Zañaharinay,
Jesoa nañambara taminay e,
Ny fañirianao hihavaña aminay ! (in-2) .

Ny Razañay talôha, ry Tompo ô,
Nankafy ny soa avy taminao,
Nandray Fañahy ‘zahay tamin’ny Batemy,
Manjary ‘zanaka mpandôva zahay e (in-2).

Ny Razañay talôha, ry Tompo ô,
Nahay fa nisy Anao Zañaharinay,
Jesoa nañambara taminay e
Ny fañirianao hihavaña aminay.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Antsao ny Tompo p. 99
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087