Ny Fahantrako

(Romuald)

Ny fahantrako sy ny halemeko,
Tsy hamoizako Ano Jesoa,
Fa izany no vao mainka,
Hanatonako Anao.
-- Eny Tompo ô, mba tantano,
-- Ny fiainan’ity zanakao,
-- Mino aho, eny mino, fa tsy ho ela,
-- Dia hanatona ahy Ianao.

Ny fakam-panahy izay mitarika ahy,
Tsy hanoa Anao ry Jesoa,
Omeo hery hoentiko hiady,
Mba handreseko toa Anao.
-- Eny Kristy ô, mba tantano
-- Ny fiainan’ity zandrinao,
-- Mino aho, eny mino, fa tsy ho ela,
-- Dia hanatona ahy Ianao.

Ianao Tompo no nilaza fa :
« Mankanesa atý ianareo,
‘Zay miasa fatratra sy mavesatr’entana,
Fa ‘Zaho hanome ny fitsaharana ».
-- Eny Tompo ô, mba tantano,
-- Ny fiainan’ity zanakao,
-- Mino aho, eny mino, fa tsy ho ela,
-- Dia hanatona ahy Ianao.

Fisaorana.

Nampiditra admin
Sokajy Fitokisana
Antsao ny Tompo p. 97
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0956