Misaotra anao izahay, ry Trinite Masina, faha-150 taona EKAR Anosivavaka

1.  Misaotra Anao izahay, ry Trinite Masina ô,
     Fa notantananao ka mbola mijoro hatrany
     Dimampolo amby zato taona nitoriana ny finoana
     Teto aminay, arovan'ny Anjely Mpiambina.

(Koa) indreto izahay, tsy hikely soroka
Fa hazoto handray ny fampianarana
Sy hilofo amin'ny fivavahana,
Handray ny Eokaristia,
Ho vatsy hanohizana ny dia.

2.  Isaorana ihany koa, 'reo zoky rehetra ara-pinoana
     Namela lova tsara sy ohatra ho an'ny taranaka
     Nanaiky hiaina hatrany ny rafitra efa misy,
     Hampijoro sy hamelona ny Eglizin'i Kristy.

3.  Mijoro eto aminay ny hery velona rehetra,
     Toy ny vary sy ny rano, tsy afa-misaraka,
     Soridalana pastôraly no atao fepetra,
     Hiezahana hanatratrarana ny tarigetra.

Nampiditra admin
Sokajy Fitokisana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092