Mahatokisa Zañahary

(Julien Rakotoarinosy)

Atsika jiaby ! Midera ny Tompo Zañahary ! Ie e ! e !
Masina sy fialofana, Mpiaro antsika
Nahary ny tany sy ny lanitra.

Zahay zaka manañ'aiñy ie ! e !
Notantaninao sy notsimbininao
Na dia mpanota aza, nahazo famelana.

- Atsika e ia
Mahatokisa Zañahary (Solo) + Vahoaka.

Mpanome hafaliana e ia,
Hafaliana tsy resi-pahavalo ia
Namonjy irô Razambe e !
Tamin'ny sarotra sy ny alahelo.

Mitantana ny taranaka amam-para e ia
Fitiavana fara-tampony,
Maharitra amin'ny famindram-pony,
Vaha olana amin'ny fiainana andavanandro.

A Baba e ià ! Mankasitraka ! (in-2).

Ravoravo zahay amin'ny Asanao,
Nandefa ny Zanaka handavorary e ià !
Anao loharanon'ny hatsaraña,
Manampy ny madinika isan'andro ô ià !
Fanantenana iankinan'ny ho avy,
Toro-lalana amin'izay atao ô ià !

Izy tsy havidy tsy atakalo,
Fahamarinana sy fanantenana e ià !
Mahaiza mifikitra amin-dRañahary } (in-2)
Fa Izy tsy mba mety miova e ia e ià !

Izahay manana Mpisolo vava
I Jesoa Tompo Zokinay e ià !

Nampiditra admin
Sokajy Fitokisana
Antsao ny Tompo p. 96
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774