Vory eto an-tranonao

(Michaël)

Velon-kira, feno tsiky
Mihoby feno hafaliana
Amin’izao andro lehibe izao
Fa ianao Mpanambina
Tantano re ny fiainanay
Mba ho sorona masina sitraky ny fonao.

Vory eto an-tranonao
Izahay, Ray ô.
Miara-midea anao Mpahary anay.

Fantatray tokoa izao
Fa be fitia, Ray ô
Ianao no tia taloha ary ho mandrakizay.

Dera anie ho anao, ry Ray
Nanome anay ny Zanakao.
Ary ny Fanahy lay mpankahery.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 94
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091