Mifaly sy ravo amin'ny asanao

(RANDRIA Jerôme)

Mifaly sy ravo amin'ny asanao
‘Zahay Tompo ô, mihira midera ny Anaranao
Atsika olombelona,
Mahaiza misaotra sy mankasitraka e ! (in-2)
Misaotra e, misaotra Aminao Baba e ià ! ( in-2 ).

Nohon'ny asa nataonao,
Anao nañamboatra raha jiaby,
Hivelomanay olombelona, na ny be na ny kely.

Anao tsy mizaha tavan'olona,
Anao mandatsaka ranon'orana,
Anao reharehanay, eo amin'ny fiainanay.

Anao Baba iombonana
Hangatahan'olona jiaby
Ny zaka tsara, tsy inona zeñy fa ny fitiavana.

Anao nampanjaka ny fitiavana
Nampianatra anay hihavana
Nanafaka anay amin'ny haizina,
Nitondra anay amin'ny tena fiainana.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 93
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733