Be voninahitra

(Marcel RASAMY)

Be voninahitra Ianao Zañahary
Ankalazaina isan’andro tsy tapaka
Tsara sy mahitsy ny lalanao
Ianao no Zokinay.

Na maro aza ny olana misy
Mianjady amin’ny fiainako
Ianao mahalala izay tianao hataoko.

Tohano aho tsy ho lavo
Manantena Anao izahay ry Tompo
Tsy ho safo-kenatra izay matoky Anao.

Nenjehina Ianao teto an-tany ry Jesoa
Enjehina koa izay mino Anao
Ny asanao saina fo fanahiko
Koa valio aminy re aho
Ny fitsipikao tanterahiko
Teninao masina no ifikirako.

Maro ny fakam-panahy eto an-tany
Tohano aho ho entiko hanohina izao
Ny hatsaram-ponao no itokiako
Raha sendra nentanin’ny fo
Koa misaotra izahay ry Tompo
Noho ny soa nataonao tamiko.

Mitavandra Anao izahay Zañahary e.
Matoky Anao zaho.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 93
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017