Nanonofy - Nofinofy - Vonjy tanindrazana

1. Nanonofy aho indray alina,
nofy nentin'ny ririnina
Fa tanora maitso volo
No nirohotra hisolo
'Reo mpifehy sy mpitondra
Tsy omby azy i Tsimbazaza
Iavoloha tsy nahazaka
Ny vahoaka tonga teo
Dia niaro azy ireo
Ka nankao Ambohitsorohitra.

Nirotsaka ny ankizy nanao filaharam-be
Nilanja soratsoratra ary sary mampihomehy
"Papoose" iray tanàna, mitaingina baramba
Nanao satro-by, vita tamin'ny daba...

Ka voalohalaharana ireo kilemaina
Nitondra ireo faneva sy sainam-pirenena
'Reo dimbaka nilatsaka ho mpitandro filaminana
Tsy miala "madinesy", miakanjo miaramila...

Tahionao ry Zanahary...

Tonga saina ireo ray aman-dreny
'Reo mpitondra tsy nahaloa-teny
Nandon-tratra sy nanongo tena:
Very an-javona ilay firenena

Nitso-drano azy ireo ny tanora
Nanao hoe: "Mipetraha moramora
Makà aina, misotroa ronono,
Izay vita tsy arahin-dromoromo!"

2. Ny kabary fanokafana
Dia natao teo Mahamasina
Nafanain'ny mpanakanto
Avy amin'ny lafivalo
Izay naneho firaisan-kina...
Ka ny dina izay najoro
Atao manda tsara rary
Voatsodranon-Janahary
Ho ampitso fifaliana...

Ho foanana ny sakana mambotry ny ankizy
Ny tantana mivaona, mitondra amin'ny tsy izy
Tsy hasiana avakavaka amin'ny zanaky ny Nosy
Tsy atao fanosihosy fa omena zo mitovy!

Hombàna ray mpitaiza ary reny ny tsy manana
Ampiana ho tafita ireo mirefarefa an-dalana
Tsy hisy atao ho "zank'Ikalahafa"
Atao veloma anio ny lasa manadala...

Taionao ry Zanahary...

Dia niadam-pinaritra hono,
Ny tontolo nihavelom-bolo,
Niova fenitra ilay Gasikara,
Nioty vokatra ny Asaramanitra ô!

Nigagam-pirenena eran-tany
Fa nahomby tsy resy ny Gasy
Nahatratra sehatra avo
N'aiza n'aiza kianjan-dalao!

3. Nony tonga ny maraina
Maina molotra aho, nangaina
Fa nisinda toy ny alina ny nofiko omaly
Nivalona ho tsiahy...
Tsy niaiky aho fa niarina,
Nanontany an'Andriamanitra
Sao mba niainga kosa ihany ilay sambondanitr'i 
Madagasikara!

Nikoso-maso aho, fa tsy nisy niova akory
Ny entona amam-pofona manempotra ny Nosy,
Ny rentiretim-mbola map=mpanjola ny tsy manana
Midonan-tsetroka eny, sy mandoto ny tsy manana

Tsy kivy anefa aho, fa vao maika velon-tsiky
Mahita ireo ankizy mitsitsy dimampolo
Mandany vodintongotra, fa lafo izao ny "bisy"
Atao tahirin-drakitra, sokafana rahampitso...

Tahionao ry Zanahary...

Tsofy rano ireo dimby sy fara
F'izy ireo no hanavao ny tantara
Ho sahy hisotro ny aleoko maty
Hanjakany, hizakany ny ho avy

Fa tsy avelany ho raraka an-tany
Ny herim-pon'izay namela mamy,
Ka nanaiky ho voam-bary afafy
Hitsimohan-tsolofo tsy lany...

Tahionao ry Zanahary...

Tsofy rano ireo dimby sy fara
F'izy ireo no hanavao ny tantara
Ho sahy hisotro ny aleoko maty
Hanjakany, hizakany ny ho avy

E! Sambatra tokoa izahay

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067