Tsy mba fanahy maha kanosa

Tsy mba fanahy mahatonga antsika ho kanosa,
No efa nomen'Andriamanitra antsika olon-tiany,
F’ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery,
    Sy be fitiavana ary mahafehy tena.


1.    Isaorako mandrakariva Andriamanitra e e !
Noho ny fahasoavany efa nomeny antsika e !
Isika izay efa tafaray amin'i Kristy eh ! ah !


2.    Fa noho ny firaisantsika amin'i Kristy e e !
Dia tonga manan-karena amin'ny zava-drehetra e !
Dia amin'ny teny sy amin'ny fahalalana rehetra eh ! ah !


3.    Izay nambara momba an'i Kristy e e !
Efa tafaorina mafy amintsika e !
Ka feno hasoavana eo ampiandrasana ny fisehoan'ny Tompo eh ! ah !


4.    Andriamanitra koa hampiorina antsika rehetra e e !
Hampiorina antsika hatramin'ny farany e !
Mba tsy hanan-tsiny isika amin'ny andro hiverenan'ny Tompo eh ! ah!


5.    Mahatoky Andriamanitra izay niantso antsika ô
Niantso antsika hiray amin'ny Zanany ô !
Dia i Jesoa Kristy, ilay Tompontsika eh ! ah !

 

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 87
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1615