Haravoana mameno fanahy

Haravoana mameno (ny) Fanahy
No nentinao taty aminay,
Ry Jesoa Zokinay.

1. K'indreto izahay, Amen !
Miara-manandra-peo, (Amen !)
Ho fiderana Anao, (Amen !)
Ianao ry Ilay Mpahary. (Amen !)

2. Ny fahasoavanao, Amen !
Nanenika ny fiainanay, (Amen !)
Ka nahatretrika anay, (Amen !)
Satria Ianao no mitantana anay. (Amen !)

3. Ka dia isaoranay Amen !
Ianao ry Ray malalanay, (Amen !)
I Kristy ilay Zoky be fitia (Amen !)
Ary Ianao ry Fanahy. (Amen !)

 

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 84
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971