Isan'andro isan'ora

Isan'andro isan'ora (isan'ora)
No hitantananao sy tohananao,
Amin'ny lalana izay hizorako
Mandritra ny andro iainako.

Be ny fandrika misakantsakana
Sy manembantsembana ny lalako,
Ianao no andry ianateherako,
Mandritra ny andro iainako.

Tsy hohadinoko ireo namanay, izay tsy mifankatia,
Noho ny volon-koditra,
Ka lasa mifandratra sy lasa mifamono
Ampahafantaro azy, f'Ianao no Mpahary Tompo o !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 77
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144