Manaova hobin-kafaliana

  1. Manaova hobin-kafaliana mankamin'Izy Ray,
    Ry Mponina manerana ny tany rehetra,
    Ny firavoravoanareo, hirao amin'ny zava-maneno;
    Tehafo sy hobio ny Tompo namonjy antsika.
     
  2. Manaova hobin-kafaliana mankamin'Izy Ray,
    Ry Mponina any anaty rano rehetra,
    Ny tendrombohitra tontolo; derao ilay nahary antsika,
    Tehafo sy hobio ny Tompo namonjy antsika.
     
  3. Manaova hobin-kafaliana mankamin'Izy Ray,
    Ry Mponina manerana ny tany rehetra,
    O ry vahoaka monina, hitsena ny mpitsara Marina;
    Eo anatrehan'Andriamanitra ny voninahitra.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 76
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097