Antsao ny Tompo

Antsao ny Tompo, derao mandrakizay
Hirao izy, Aleloia ! (in-2).

  1. Derao ny Tompo, Aleloia,
    Fa tsara sy mahitsy ny asan-tanany.
    Mandrakizay endre ny fahefan'i Yaveh,
    Aleloia ! Aleloia !
  2. Nandresy Izy Tompo, Aleloia !
    Fa tafatsangana mandrakizay doria.
    Ary ianareo vahoaka mitsangana koa,
    Hiravo ilay Mahefa, Aleloia !
  3. Ry mponina rehetra, mifalia;
    Fa tonga 'lay Mesia naterak'i Maria (Noely)
    Tondray fanatitra any an-tranon'i Yaveh,
    Noely, Noely, Aleloia !
  4. Misaora ny Tompo, Aleloia !
    Fa marobe ny soa nomeny antsika.
    Ny fitiavana no sarobidy indrindra,
    Araho Izy, Aleloia !
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 76
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009