Eto an-tany

  1. Eto an-tany iainantsika, miovaova lalandava,
    Toy ny masoandro vao maraina, mibaliaka miran-tava.
    Araraoty ny onjam-piainana, mifalia miravoa,
    Amin’ireo izay mifaly, fa izany no fiainana.
     
  2. Eto an-tany iainantsika, miovaova lalandava,
    Toy ny rahona manamaizina ny masoandro, hita teo.
    Araraoty ny onjam-piainana, malahelo miaraka ory
    Amin’ireo izay mijaly, fa izany no fiainana.
     
  3. Teto an-tany i Jesoa Tompo.
    Dia nampianatra ny mpianany,
    " Mifankatiava ianareo, toy ny nitiavako anareo !"
    Io no didy voalohany sady ambony lehibe,
    Ka mifehy ny lalàna izay voalaza hatrizay.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 73
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213