Andriamanitra ô, vonjeo ny taninay

Andriamanitra ô ! Andriamanitra ô !
Vonjeo (ô vonjeo), Vonjeo (ô vonjeo),
Vonjeo, vonjeo, vonjeo ny taninay...

  1. Ny lohasaha sy ny havoana,
    Ny tendrombohitra izay manoloana;
    Vonjeo, vonjeo, ry Tompo ô !
     
  2. Ireo kamboty, zay miferin'aina,
    S'ireo mahantra tsy tambo isaina;
    Vonjeo, vonjeo, ry Tompo ô.
     
  3. Ireo nafafy s'izay nambolena,
    Ianao ry Tompo no tena andrandraina;
    Vonjeo, vonjeo, ry Tompo ô !
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 73
Vavaka sy Hira p. 654
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129