E miandry Anao 'zahay

E ! miandry Anao 'zahay, fa matoky Anao 'zahay.
Ry Kristy Mpamonjy ô, e ! miandry Anao 'zahay.

  1. Reto zanakao jereo, miandry fanavotana.
    Be tokoa ny ahiahy, amin'ity tany ity.
     
  2. Aiza moa ianao ry Tompo, no dia manalavitra ahy.
    No dia manalavitra ahy, aiza moa ianao ry Tompo.
    Todiho maso re... E ! miandry Anao.
     
  3. Faly sahirana izahay, miandry fanavotana;
    Ianao no fiankinanay, amin'ity tany ity.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 72
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2598