Tafitraotro ny tany sy ny lañitry e

Tafitraotro ny tany sy ny lañitry e !
Nampihavanin’i Jesoa Kristy :
Sambatra e e ià !

  1. Nampihavanin’i Jesoa Kristy : (in-2)
    Sambatra e e ià !
    ‘Lay Jesoa Tompo, Zanaka-Zañahary.
    Sambatra e e ià !
    Mitovy saranga sy fomba amin’Andriamanitra !
    Sambatra e e ià !
    Nefa nietry, nilatsaka ho mpanompo
    Sambatra e e ià !
    Ka hita olombelona tamin’ny fisehoany.
    Sambatra e e ià !
  2. Nampihavanin’i Jesoa Kristy; (in-2)
    Nanjary olombelona i Jesoa Zañahary,
    Zanak’i Maria, natsangan’i Josefa,
    Mba hatsangan’ny Ray, ny zanak’olombelona,
    Zañahary sy olombelona manjary mpianakavy.
  3. Nampihavanin’i Jesoa Kristy, (in-2)
    Nanetry teña ilay Zanaka-Zañahary,
    Nañeky ho faty mba hañavotra antsika.
    Ka maty teo ambony Hazofijaliana,
    Fa Izy ilay mibaby ny fahotantsika.
  4. Nampihavanin’i Jesoa Kristy, (in-2)
    Niseho ny fara-fitiavan’ny Tompontsika.
    Ka ny Ray namaly ny fitiavana azy,
    Tsy navelany ho lo, tao am-pasana,
    Natsangany ho ambony, ho tompom-pahefana.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 72
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061