Midina Anao Fanahy

Midina Anao Fanahy, midina ô !
Handrehitra ao am-ponay, ny Fitiavanao.
Fanahy Masina ô, midina ô !
Aza misalasala, mba hanamasina.

  1. Hitoetra ao aminay ry Andriamanira ô !
    Fanahy fahendrena, hazavan-tsaina,
    Fanahy fifidianana, faherezana,
    Fanahy fahatahorana, fahalalana. (Iz. 11, 2),

Nanosotra hitory Vaovao Mahafaly,
Hanafaka anay anaty haizina;
Hankahery ireo ‘zay torotoro fo,
Hanasitrana an’ireo marary. (Iz. 61, 1; Lk 4, 18)

Ataovy ao anatinay ny Fanahinao,
Hamelomanao ny fiainanay,
Hahatonga anay ho vahoakanao,
Ary Ianao ho Andriamanitray.

  1. Ny vokatry ny Fanahy Andriamanitra ô !
    Fiadanam-po sy fitiavana,
    Hazavam-po sy halemem-panahy,
    Fahalalana onona sy hafaliana.

Izay mivavaka aminao ry Ray ô !
Dia amin’ny Fanahy – Fahamarinana,
Ireo izay mahalala Anao
No itoeran’ny Fitiavanao. (1 Jn 14, 16).

Misaotra Anao izahay Andriamanitra ô !
Fa nomenao ny Fanahinao,
Nanamasina ny fanahinay.
Mba hahatonga anay ho zanakao.

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Antsao ny Tompo p. 63
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009