Ô ry Fanahy ô

Ô ry Fanahy ô ! Fanahy Masina ô !
Misaotra Anao izahay ( in-2 )
Vahoaka :            Ianao Fanahy ô !
                               Masina e !

  1. Ianao Fanahin'i Jesoa
    Izay nirahiny ho anay;
    Ianao no Fahamarinana,
    Ka manamasina anay;
    Ianao no Hery lehibe,
    Ka mampijoro anay.
             Avia Fanahy ô !
             Ka misaotra Anao izahay !
  2. Ianao Fanahin'i Jesoa
    Izay nirahiny ho anay;
    Ianao no tena Fitiavana,
    Ka mampifankatia anay;
    Ianao Mpanala alahelo,
    Ka mahatretrika anay.
             Avia Fanahy ô !
             Ka misaotra Anao izahay !
  3. Ianao Fanahin'i Jesoa
    Izay nirahiny ho anay;
    Ianao Mpitantana anay,
    Mitondra anay ho amin'ny Ray;
    Ianao no fahazavana,
    Ka mampianatra anay.
             Avia Fanahy ô !
             Ka misaotra Anao izahay !
Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Antsao ny Tompo p. 60
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244