Eny mantsy ry Jesoa

Eny mantsy ry Jesoa
Maty Ianao noho ny hadalako
Adala izay mamitaka
Haratsiana sesilany
No mandrakotra ny tany
Nandroso, nanjemby, ny maso.

Eny mantsy ry Jesoa
Maty Ianao vao nahatsapa aho
Fa hay lalan-diso no nizorako
Nasehonao izao tontolo...
Na tsy fantany aza fa hisolo
Ny vesatry ny otany Ianao.

Ireto masoko nakipiko mafy
Ireto vavako nandrendrika anao
Ireto tanako namantsika Anao
Tena neniko tokoa Tompo ô !

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Antsao ny Tompo p. 58
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103