Katsaho aloha ny Fanjakan' Andriamanitra

Katsaho aloha ny Fanjakan' Andriamanitra
Sy ny fahamarinana amin'ny fiainana
Dia ho azonao ny soa rehetra.

Homeko anao ny fahendreko
                Hoy ny Tompo
Ny Fanahiko hitantana anao
Ny Fanahiko hanilo anao } (in-2)
Ho finaritra ny fiainanao rehetra } (in-2).

Ny fahamarinako hanilo anao
Ka hizara fitiavana anao
Ka ho sambatra ny olombelona rehetra } (in-2)
Ho voninahitra Andriamanitra } (in-2).

Ny fahamasinako hanentana anao
Ka hifampitsinjo ny oloko rehetra
Ny Fanahiko hitantana anao } (in-2)
Ho voninahitra Andriamanitra } (in-2).

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 56
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0879