Oloño afaka zaho

‘Zaho tsy mpanompo, tsy andevon’oloño !
Fa ôloño afaka,
Nefa nifidy hanompo ny ôlo jiaby,
Ho famonjiaña e ià !

  1. Niaraka amin’ny Jody ‘zaho, karaha Jody,
    Niaraka amin’ny voafehy, nanjary ho voafehy,
    Ireo tsy manan-dalàña, nalaiky tahaka,
    Kanefa ny lalàko dia i Kristy ! (I Kor 9, 19-21)
    Vahoaka : Ho famonjiaña e e ià !
     
  2. Niaraka amin’ny malemy, nanjary ho malemy,
    Nañano raha jiaby hamonjiaña anarô,
    Izany no nataoko dia noho ny Evanjely,
    Mba hanañako anjara amin’ny Evanjely !
                              (I Kor 9, 22-23).
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 49
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245