Aza mañeky resin’ny ratsy

Aza mañeky resin’ny ratsy e ia !
Ny ratsy reseo amy soa, (Rom 12, 9)
Aza magneky resin ‘ny ratsy e ia !
Ny ratsy  reseo amy soa o,
                Mifankatiava e ia.             (2 fois)

  1. Fifankatiavana tsy mihatsaravelatsihy,.
    Mankahalà ny ratsy, miraiky amin’ny tsara
    Mitiava namana, toy ny mpirahalahy
    Mifegna mifagnasoa; mahaiza mifañaja.
  2. Mpirahalahy ka mitandro fihavanana
    Tsy mirekireky fa miroso amin-kerim-po,
    Faly manantena ka mandefi-pahoriana;
    Maharitra mivavaka manara-dia ny Tompo
  3. Mañampy ny olomasina, mandray mpivahiny
    Tsy mamaly faty fa misaotra ny mpanenjika
    Tia miara-paly, mankahery ny ory
    Tsy miavonavona, mandray ny iva toetra.
  4. Raha mba azo atao ihavano ny olojiaby
    Mivognôsa hagnano soa anatrehan’Izy Tompo
    Tsisy valy faty fa mitia fahavalo,
    Tsy resin’ny ratsy marnpandresy ny soa.

(Bema)

Nampiditra admin
Sokajy Fihavanana
Antsao ny Tompo p. 46
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756