Toa tsy ho haiko

Toa tsy haiko tantarina Jesoa ô !
Ny fitiavan-dehibe omenao ahy
Ka ny aiko manontolo no atolotro Jesoa
Mba ho sorona ho Anao mandrakizay.

  1. Koa tsy hisy hahasaraka ahy amin'ny fitiavanao,
    Na dia eo ny fahoriana, fahantrana, fihafiana;
    Tsy hampihontsona ahy ny loza, ny mosary na ny vono,
    Fa mpandresy noho i Jesoa ilay tia antsika.
  2. Na ho faty aza isika, na ho velona tokoa,
    Na izao androntsika izao, na izay mbola ho avy;
    N'inon'inona hitranga, eto an-tany ry Jesoa,
    Tsy hanan-kery amiko f'ianao momba ahy.
  3. Tsisy afaka manery an'ireo izay te-hiala,
    Tsy halofan'ny Fitiavan'Andriamanitra ao ambony,
    ‘Zay niseho tamin'i Jesoa, Zanaky ny Ray tsy toha,
    Fa lehibe tokoa ny Fitiavany.

T. Julie Helmine

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 46
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212