Lazao aminy

Lazao aminy ny teniko
Na hihaino izy e
Na tsy hihaino, ilazao izy !
Mitsangana re ianao hirahiko
Fa hiteny aho e
Izaho Tomponao  maniraka anao

  1. Dia niditra tato anatiko,
    Ilay Fanahy sy Tompoko,
    Niangavy sy nitalaho e !
    Hitondrako ny Teniny.
  2. Ny Zanany efa maditra,
    Tsy mahalala menatra,
    Ireo no anirahako anao e !
    Ilazao ihany izy e !
  3. Ary ianao tsy hatahotra azy,
    Hombako hereziko,
    Harovako amin’ny mafy ianao,
    Tsy hangovitra anoloany.
  4. Ary ianao mitandrema tsara,
    Sao hanahaka azy e !
    Sokafy ny vava, ka hano re
    Izay homeko anao.
  5. Dia natopiko tamin’izay re
    Ny masoko ; tazako,
    Taratasy no asainy hateliko,
    Ho hanina hivelomako.
  6. Novelariny teo anoloako,
    Hay tena mahonena be,
    Fisaonana, fitomaniana tao,
    Nombam-pitarainana.
  7. Izay ve ilay hoe amin’ny mangidy
    No misy mamy e !
    Nony injay ka nateliko hay tantely
    Fa mamy ankafiziko.
  8. Eny e, hoezahiko Tompo ô !
    Hamaly ny antsonao,
    Omeo hery, tantano hatrany,
    Fa vao hary elatra.
    Inty aho Tompo ô, iraho aho.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 41
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092