Inty aho Tompo, Iraho aho (Teña tsy mendrika)

Nampiditra: admin
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


  • Antsao ny Tompo p. "41

Inty aho Tompo, Iraho aho ! (in-2).

Teña tsy mendrika ‘zaho zeñy fa mpanota,
Ny firenena itoerako koa : mpanota ! (Iz 6, 4).

Voafafa ny heloko, voaonitra ny ota,
reko ny feon’ny Tompo : ka valiako ! (Iz 6, 7-8).

Azôvy hirahiko, iza handeha ho anay e ? (6, 8)
Mandehana ianao, ilazao ny firenena ! (Iz 6, 8-9).

Nohosoran’ny Tompo aho, ka manaña Fañahy e,
Mba hitory teny soa amin’ny malahelo.

Hamaha mpifatotra, hampahiratra ny jamba,
Hanafaka ny ory, hitory Fahasoavana.

 

(Bema)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0659 s.] - Hanohana anay