Inty aho Tompo, iraho aho (Olona tsy mendrika)

Inty aho Tompo, iraho aho ! (in-2).

  1. Olona tsy mendrika aho, fa maloto molotra (6, 4)
    Ny firenena itoerako, maloto molotra aby. (6, 4).
  2. Voaesotrao ny heloko, voaonitrao ny otako, (6, 7)
    Nandre ny feonao aho, Tompo,
    Ka namaly an-kafaliana. (6, 8).
  3. Azôvy no hirahiko,
    Ary iza no handeha ho anay e ? (6, 8)
    Mandehana ho Ahy ianao: mba ilazao ny firenena (6, 9).
  4. Nandray ny Fanahy Izaho :
    Fa nanosotra ahy ny Tompo !
    Hitory teny Mahafaly, amin’ireo malahelo !
                                                                            (Lk 4, 18).
  5. Hamaha ny mpifatotra, hampahiratra ny jamba
    Hanafaka ny ampahoriana, hitory fahasoavana.
                                                                            (Lk 4, 19).

Farany : Inty aho Tompo, iraho aho ! (in-3).

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 40
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094