Ndeha hanatona ny Tompo

Izao no ho tonga rehefa any am-parany any
Ny vohitry ny tranon’ny Tompo avy any ambony any
Hatao eo an-tampon-kavoana, fa eny isika no hiaona
Ny vahoaka eto an-tany, hitanjozotra hankany.

Izy no hanelanelana ireo vahoaka
Hitsara ny adim-pirenena
Sy izay rehetra nivoaka
Ny sabatra notefena natao ho fangady
Tsy hisy intsony ireny fiofanan-kiady.

Handeha isika, hiakatra ny vohitry ny Tompo
Ny adiady efa vita, mpisakaiza
Fa tsy mpifanompo, ry nifanangan-tsabatra ô !
Ndeha hiara-tsambatra
(Hanatona ny Tompo isika) in-2
Ny adiady efa vita.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 40
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1063