Mihira ho an'Iaveh aho

Nahita ny herin’Andriamanitra ny vahoaka Israely
Niaraka tamin’i Moizy, tamin’izy nita ny ranomasina Mena
ka nanao izao tononkira izao.

Mihira ho an’Iaveh aho
Fa niseho ny voninahiny
Ka nariany tany an-dranomasina e
Tao anatin’ny rano lalim-be
Ny kalesin’i Faraona e
Ny soavaliny sy ny mpitaingina azy e
Iaveh no Andriamanitra ô
Izy irery ihany no hankalazaiko.

1. Niady mahery Iaveh
Iaveh, Iaveh no anarany e
Ny kalesin’i Faraona e
Natsipiny any amin’ny riaka e.

2. Miaramila maro matanjaka e
Kapiteny voafantin’i Faraona e
Nalentika tany amin’ny riaka e
Toy ny vato narôboko an-drano ô.

3. Ny taña-maherin’ny Tompo
Nandringana ireo miaramila e
Nipihany hiala ny Tompo
Namotika ireo mpañandevo ô.

4. Andriamanitra mahery Iaveh
Tsy misy mitovy amin’ny Tompo ô
Ny Andriamanitr’ireo firenena a
Tsinontsinona eo anatrehany e.

5. Vahoaka navotan’ny Tompo ô
Nisosa nandia tany maina e.
Miaramilan’ingahy Faraona e
Natelin’ny rano mahery e.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 36
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1772