Avia e, Avia à

Avia e ! Avia à !
Ry vahoaka voafidin'ny Ray, avia e !
Hiaraka hidera ny Tompontsika, avia à !

  1. Ianao Andriamanitra derainay !
    Ianao ry Tompo isaoranay !
             Ianao ry Ray mandrakizay,
             Hajain'ny tany tontolo ! (in-2).
  2. Ianao antsoin'ny Anjely rehetra
    Sy ny lanitra, ny tafika tontolo,
             Ary ny firenen-drehetra
             Miantso Anao hoe : "Masina" ! (in-2).
  3. Masina ny TompoAndriamanitra !
    Mameno ny tany sy ny lanitra,
             Ny fiandrianan'ny Voninahitrao !
             Derain'Apôstôly be voninahitra ! (in-2).
  4. Derain'ny Mpaminany malaza,
    Sy ny Maritiry, tafika mamiratra;
             Isaoran'ny Eglizy eran-tany,
             Ianao Andriamanitra mahefa. (in-2).
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 34
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091