Andriamanitra, Andriamanitro ! henoy re ny antsoko

Andriamanitra, Andriamanitro ! henoy re ny antsoko.
Maniry Anao isan’andro aho,
Mangetaheta Anao ny Fanahiko,
Matimaty aminao izany nofoko,
Heriko anie Ianao.

Andriamanitra ô, mova tsy tany maina sy mangerana,
Maniry rano itý aho,
Satria toy ny nahitako Anao tao amin’ny toerana masina,
No nibanjinako ny hery, ny voninahitrao.

Fa Ianao tokoa no ilay Tompo sy Avo indrindra,
Sy Mpahary izao tontolo izao,
Mba araiketo ato am-poko ny fitiavako Anao.

Andriamanitra, Andriamanitro ! henoy re ny antsoko.
Fa tsara noho ny aina anie, ny hatsaram-ponao,
Ny molotro mankalaza ny anaranao,
Heriko anie Ianao.

Ny faniriako ry Tompo : ny hitoetra eo anilanao,
Ka ny fanahiko ho toy ny voky sakafo soa.
Ny molotro hihoby, ny vavako hidera ny Anaranao,
Ka eo am-pandriana avy aho no mahatsiaro Anao,
Ary ny tontolo alina dia any aminao ny eritreritro,
Satria Ianao no Ray Mpahary ahy.

Andriamanitra, Andriamanitro ! henoy re ny antsoko,
Isaorako Ianao ry Tompoko raha mbola velona aho.
Mifaly aho eo ambany elatrao,
Heriko anie Ianao.

Andriamanitra ô, rehefa tonga ny andro sy ny alina,
Itý aho mibanjina ny lanitra,
Maniry ny famonjena avy aminao, (satria)
Ny fanahiko misarangotra aminao,
Ary ny tananao misakambina ahy,
Mba tsy ho lavon’ireo fahavaloko aho.

Andriamanitra, Andriamanitro ! henoy re ny antsoko.
Maro ireo fahavaloko,
Mitady hanimba ny fanahiko,
Arovy aho, fa Ianao no heriko,
Heriko anie Ianao.

Nampiditra admin
Sokajy Salamo
Antsao ny Tompo p. 26
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093