Md Maurice, mpiaro mafatoky

Md Maurice, mpiaro mafatoky anay,
No iarahanay misaotra anao, Zanahary !
Ny Rà nalatsany, nafoiny ho Anao teto an-tany
No lasa zezika nampitsiry sy nampanjary !

1 - Mpanjakan'i Teba namoaka didi-miaramila
    Ka i Maurice no natsangany ho filoha
    Dia niseho ho vonon-kanaiky ireto miaramila
    Ka nomena alalana hanao veloma havan-tiana

2- Niala tany Teba izy ireo ka tonga tany Gaola
    Mafy ny didiny ka nahavokatra fandresena
    Nampanao sorona ny mpanjaka noho ny hafaliany
    Sorona amy sampy no hany mba takatry ny sainy.

3- Baikon'ny mpanjaka ho tanterahina hatrany !
    Tsy izany, ry Mpanjaka, fa kristianina izahay !
    Aleonay ho vonoina noho ny finoana,
    Toy izay ho velona, kanefa diso fanompoana.

4- Raha tsy manaiky ianareo, dia ho tapahin-doha !
    Tsy manaiky anao izahay, fa manana Filoha !
    Kristy Tompo nilanja ny Hazofijaliana
    Sy namoy ny ainy ho famonjena ny olon-tiana

 5- Tezitra ny Mpanjaka: nampamono ireo miaramila
     Tao Saint Maurice tamin'izay dia nisy rà mandriaka !
     Vokatr'izany: nandresy ny mpiaro anay !
     Iaraha-mankalaza ny Voninahitry ny Mpahary !

6- Feno zato taona nanombohan'ireo misionera
    Isaoranay Andriamanitra Ray nikarakara
    Feno zato taona ka mba mila fankalazana
    Misaotra Zanahary fa manao Jobilin-kazavana !

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 171
Karine Dera p. 543
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0402