Hoy ny Tompo tamin'ny mpianany

Hoy ny Tompo tamin'ny mpianany (Mahereza fo )
Mahereza fo mafy ianareo e hitory ny teniko
Eran'ny vazan'tany rehetra

1 - Ambarao amin'ny vahoaka tsy vaky volo
(Hoy ny Tompo)
Fa eo anatrehako hatrany hatrany izy manontolo
(Hoy ny Tompo)
Ny fahefako dia mbola hiseho
(any am-parany any)

2- Omeko ny fahasambarana lavorary (Hoyny...)
Zay mihaino ny solontenako eto an-tany (Hoy ny...)
Ka ho azy ny fanjakana (any an-danitra any)

3- Mandehana ka ampianaro ny firenena
Mba hiady amin'ireo ratsy izay sesehena
'Zay mandresy dia raisin'tanana (O k'hovonjena)

4- Mandehana amin'izay rehetra anirahako anao
Lazao izay rehetra andidiako anao
- Aza matahotra fa homba anao aho (sy hamonjy anao)

5- Ataoko eo am-bavanao 'zany teniko
Indro aho anio manendry anao
Ain'ny firenena (amam-panjakana)
6- Mampianara, manaova batemy amin'ny anaran-dRay
Sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina
Ampianaro izy hitandrina (izay nandidiako)

Nampiditra admin
Karine Dera p. 538
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091