Mihoby anao 'zahay, ry hazofijaliana

Fiv :Mihoby anao 'zahay, ry hazofijaliana
Nofidin'ny Ray Ianao hamonjena ny olombelona.

1- Inty ny Hazo
Nifantsihan'ilay Zanak'Andriamanitra
Noho ny herin'ny fitiavany antsika.

2- Inty ny Hazo
Notentenan'ilay Ran'i Kristy
Izay nalatsaka hamonjena ny mpanota.

3- Inty ny Hazo
Nahafongotra ny herim-pahafatesana
Fony maty toa ny Tompo Zokintsika.

4- Inty ny Hazo
Izay fitomboka amantaran'izy Ray
Ny mpianatr'i Kristy Jesoa

5- Inty ny Hazo
Izay famaizana ireo mpanao ratsy
Reharehan'ny mpanara-dia ny Tompo

6- Inty ny Hazo
Izay heverin'ny tsy mpino ho hadalana
Nefa kosa fahendrena ho an'ny mpino

7- Inty ny Hazo
Nanandratana an'i Kristy Mpamonjy
Ka mitaona ny olombelona ho ao aminy.

8- Inty ny Hazo
Famantarana an'i Kristy Mpanjaka
Ilay hitsara ny olombelona rehetra

9- Inty ny Hazo
Mampikambana ny tany sy ny lanitra
Sy mampiditra ao an-dapan'Andriamanitra.

Nampiditra hery
Sokajy Karemy - Paka
Karine Dera p. 526
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093