Arahaba, ry Maria, fa nahazo joro tsara

Fiverenana: Arahaba ry Maria,
Fa nahazo joro tsara in-2 Arahaba e!

1- Noharabain'ny anjely,
     Ka nandray ny Tenin'Andriamanitra Arahaba e !
     Fahaizanao nanaiky
     No nazahoanay ny fototr'ainy Arahaba e !

2- Ekena sy hajaina
     Fa ianao no renin'Andriamanitra
     Nahazo joro , fa nanaiky
     Ho Renin'ny Mpamonjy

3-  I Jesoa zanakao no nanova
     Ny rano ho divay
     Noho ianao mahay mameno
     Izay banga eo amin'ny fiainanay.

4-  Ianao ilay nijoro
     Teo am-pototry ny hazofijaliana
     Ampio zahay hitraka
     Raha sendra ka tojo fahoriana.

5- Ianao ilay nivavaka,
     Niaraka tamin'ny Apôstôly Ivavaho izahay,
     Mba handray ny Fanahin-Janakao

6- Nampakarina any an-danitra Ianao,
     Fotony tsy azon-keloka Ivavanonao 'zahay,
     Mba ho voninahitr'Andriamanitra!

Nampiditra hery
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 157
Karine Dera p. 524
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087