Mihirà fihiram-baovao

Mihirà fihiram-baovao e
Ho an'ny Tomponao ny firenena
Fa satria ny Tompon'ny hery
Efa nanao zava-mahagaga Izy e

Miharihary ny fandresen'ny Tompo
Ny fahamarinana teo imason'ny firenena
O o o ! o
Mihobia e, mifalia e
Ianareo ry tany tontolo
Miravoa e, mihirà e
Miaraka amin'ny Harpa sy Gitara
Ianareo monina amin'ny tany rehetra

1-        Aoka hifaly ny ranomasina
Ny trondro koa dia hientan-karavoana
Aoka ny mponina eran-tany
Hientan-kafaliana, Aleloia
Gloria, gloria in excelsis Deo
Gloria, gloria in excelsis Deo

2-        Mitehafa koa ianao ry ony
Ny tendrombohitra rehetra
Manaova hobin-kafaliana
Ho an'laveh ô, aleloia
Gloria, gloria in excelsis Deo
Gloria, gloria in excelsis Deo

Nampiditra hery
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 94
Karine Dera p. 517
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009