Voninahitra ho Anao e, ry Andriamanitra

Voninahitra ho Anao e
Ry Andriamanitra any amin'ny Avo indrindra
Fiadanana ho an'olombelona
Izay nanehoany ny hatsarampony
Voninahitra, voninahitra
Ho Anao ry Andriamanitra

1- Midera Anao izahay e
    Mankalaza Anao izahay
    Mitsaoka anao ô
    Mihoby ny hasinao
    Misaotra anao izahay e (2fois)

2- Ianao Zanahary Babanay e (2)
    Mpanjakanay Ianao ô
    Ianao mahefa ny raha jiaby e
    Anao ny tany sy ny lanitra e (2)

3- Ianao Zanahary Tomponay e
    Ianao Zanahary Babanay
    Mpanjakanay e
    Ianao mahefa ny raha jiaby
    Anao ny tany sy ny lanitra e

4- Ry Jesoa Kristy Tomponay
    Zokinay Ianao
    Fa zanaky ny Ray e
    Ka raiso ny fifonanay
    Ka mamindrà fo aminay

5- Ianao irery no tena masina
    Ambonin'ny zaka jiaby
    Ankavanan'ny Ray
    Miaraka amin'ny Fanahy Masina
    Ka omeo voninahitra

Nampiditra hery
Sokajy Voninahitra
Karine Dera p. 515
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009