Mahatsiaro diso

1- Mahatsiaro diso zaho Tompo ô
    Raha mieritreritra ny fiainako
    Satria tsy mbola arak'izay sitrakao
    Ny fitandremako ny didinao

2- Mandia tany miloloha lanitra aho
    Ary arin-tananao Tompo ô
    Ka fantatrao fa osa malemy aho Tompo ô
    Iantrao aho fa diso taminao

3- Ampio hery aho Tompo ô
    Hoentiko manompo ny fiangonanao
    Sy ny namako rehetra
    Ary hiderako ny anaranao ny asako rehetra
    Mandritra ny fiainako mba ho sitrakao

Ref: Tompo ô, mamindrà fo amiko
Kristy ô, fa raha tsy esorinao ny heloko
Tompo ô, tsy hitako izay aleha

Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 253
Karine Dera p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093