Navy ny meva, Voninahitra ho an'Andriamanitra

Voninahitra ho an'Andriamanitra
Andriamanitra Zanahary
Any ambony indrindra
Fiadanana ho an'olombelona
Ety ambonin'ny tany e e ia
Fa nanehoany, fa nanehoany ny fitiavany
Vahoaka: O ia e maharavoravo navy ny meva (bis)

1 - Midera Anao izahay, mankalaza Anao izahay e
Misaotra Anao izahay, mankasitraka Anao izahay e
Miara-mihoby ny hasinao, ny hasinao izahay e
Miara-mihoby ny hasinao, ny hasinao izahay e
        Misaotra Anao izahay nohon'ny haben'ny voninahitrao Anao
        Tompo Andriamanitra, mpanjakan'ny lanitra
        Zanahary sady Babanay, mahefa ny raha jiaby
        Ry Jesoa Tomponay, Zanahary zanaka talanolo araiky
Tomponay Zanaharinay, zanakondrin'Andriamanitra
Manala ny fahotana, ka mamindrà fo aminay
        Manala ny helokay, ka raiso ny fifonanay e
        Anao ankaherin-Janahary mamindrà fo aminay
        Anao araiky ankitiny no masina,
Ka mamindrà fo aminay.

5- Anao araiky no ambony indrindra Ry Jesoa Kristy e
Miaraka ao amin'ny Fanahy Masina,
Ao amin'ny voninahitra Zanahary
Ny voninahitr'Andriamanitra,
Zanahary Babanay, amena. Amena e e oia (in-2)

Nampiditra hery
Sokajy Voninahitra
Karine Dera p. 511
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088