Noely, Noely, teraka ny Tompontsika

Ref: Noely, Noely, teraka ny Tompontsika
Noely, Noely, tonga ilay nandrasantsika.

1.  Teraka anio ny Tompo ao Betlehema,
   Tanànan'i Jôdà, teraka anio ny Mesia.

2. Mifalia ry vahoaka, vahoakan'lsraely,
   Tonga mpanavotra atsika, mifalia isika !

3. O ry mponin'ny Nosy: "teraka anio ny Mesia"
   Izy no Emanoela, Andriamanitra eto amintsika.

4. Tapitra anio tokoa, ny andron'ny fampahoriana,
   Fa tonga ny famonjena, olona afaka isika.
   Araka ny efa voalazany, voalazan'ireo Mpaminany,
   Ho avy ny Mesia, miravoa isika.
        
Hoy ny Anjely any an-tsaha,
Miantso amin'ny feo mahery manao hoe:
"Voninahitra anie ho an'Andriamanitra,
Any amin'ny avo indrindra,
ary fiadanana ho an'ny olona ety ambonin'ny tany"

Taloha dia tamin'ny alalan'ny vavan'ny Mpaminany
No nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona
Fa ankehitriny kosa, dia amin'ny alalan'ny Zanany.

Nampiditra hery
Sokajy Noely
Karine Dera p. 499
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0552